Mofomamy 1

482

GENOISE - MOFOMAMY

ZAVATRA ILAINA 

atody 12,
lafarine 110g, 
maizena 110g 
siramamy 300g

FIKARAKARANA AZY:

Hafanaina ny lafaoro 150°C
Kapohana ny tamenaka atody sy siramamy mandrapahazo paty miloko fotsy.
Avy eo alefa ny lafarine sy maizena dia afangaro tsara.
Kapohana am vilia mitokana ny tapotsina atody(atao en neige)
Avy eo afangaro amin'ilay fangaro voalohany
Hosorana dibera sy lafarinina kely ny moule dia araraka ao ny paty dia ampidirina anty lafaoro mandritra ny 30-40 min.
Manao crème Chantilly avy eo dia ampihaingoana amin'izay itiavana azy

Mazotoa o 

Nahandron 'i Dina Ramangatsihoarana 

 

Catégorie: