Mofomamy amin'ny vovo-katsaka

466

MOFOMAMY amin'ny VOVO - KATSAKA 

ILAINA : 

vovo-katsaka (koba katsaka, probo) 3 kapoaka
atody 2
siramamy 150 g
lalovay simika 1sotrokely sy 1/2
akondro 4
ronono matimaty 0.5L

FIKARAKARANA : 
- kapohana ny atody sy ny siramamy
- arotsaka tsikelikely ao ny vovo- katsaka sy lalovay efa nafangaro.
- araraka moramora ny ronono, afangaro amin'ny sotro hazo, dia kapohana ohatry ny mikapoka "cake" hifangaro tsara.
- Potserina ny akondro dia alefa ao amin'ny paty teo
- Alefa anaty lasitra
- Atao masakevoka avy eo.35 min eo 

mazotoa o 

Nahandro'i Tsiry Niaina Andria Ntsoa

Catégorie: