Mofomamy ny Mpanjaka

532

MOFOMAMIN'NY MPANJAKA - Galette des rois à la frangipane 

ZAVATRA ILAINA:

2 "pâtes feuilletées" efa vita no nataoko,
dibera 100g,
poudre d'amande 125g,
siramamy 100g,
atody 2 ary ampiana tamavony 1;

 

FIKARAKARANA:

 

- Afangaro anaty vilia jobo iray ny dibera malemy (tsy mila antsonika fa avoaka mialoha ny vata fampagatsiahana fotsiny dia efa mety) ,ny siramamy ary ny poudre d'amande.
- Avy eo alefa tsirairay ny atody dia afangaro tsara.
- Velarina ny pâte voalohany araraka ny fangaro dia saromana ilay pâte faharoa.
- Atao mitambatra tsara ny sisiny roa mba tsy hisokatra.
- Manao sarisary amin'ny lohan'antsy izay tiana. 
- Hosorana ilay tamenaka atody
- Atsofoka anaty lafaoro efa mafana 240°C mandritra ny 10min avy eo ampidinina 180°C mandritra ny 20minitra .

Azo atao compote de pomme koa ny ao anatiny
Mazotoa o 

Nahandron'i Dina Ramangatsihoarana

 

 

Catégorie: