Mofomamy sy mananasy

1001

MOFOMAMY MANANASY - GATEAU A' L'ANANAS 

ZAVATRA ILAINA

Ho an’ny tamberina na “caramel” :
siramamy 200g
ranomboasary makirana 2 sotro
rano 2 sotro fihinanana

ho an’ny paty
atody 2
lafarna 250g
lalovay 1 fonosana (11g)
ronono 2 sotro fihinana
dibera 60g
mananasy anaty boaty

FIKARAKARANA AZY

Ny tamberina “caramel”: atao ambony afo malefaka ny siramamy , ranomboasary makirana ary rano dia avela eo mandrapaha tonga azy “marron” tsara, tsy avela ho may anefa
 

Ny paty:
Kapohina miaraka amin’ny siramamy ny atody ka rehefa mitombo tsara lasa fotsifotsy sy mibotsina tsara dia alaina ilay dibera efa navoaka mialoha dia arotsaka tsikelikely
Afangaro ny lafarina sy lalovay dia sivanina mba tsy hisy hitambaingambaingana izay vao alefa tsikelikely ao anaty fangaro ihany koa ary afangaro tsara mba hifandray.
maka lasitra araka izay bika tiana na boribory na lavalava dia asiana “papier cuisson ” araraka ny tamberina aloha avy eo vao alahatra eo amboniny ny mananasy ary atao izay bika tiana
Izay vao arotsaka ny paty

FAHANDRO AZY:

- Ampidirina anaty lafaoro efa nafanaina mialoha 180° mandritry ny 40 minitra eo rehefa vita dia avela aloha mangatsiaka ny mofomamy vao avadika

-Atao masakevoka (à la vapeur) : izany hoe mampangotraka rano anaty vilany be, avy eo apetraka eo ambony ilay lasitra misy an'ilay paty dia saromana ny vilany ka ilay entona mafana iny izany no manamasaka azy mandritra ny ora iray eo ho eo.

Azo soloina izay voankazo tiana ny mananasy 

Mazotoa o

Mazotoa o
Nahandron’i Harilala Anjarasoa
 

Catégorie: