Mofomamy tsotra kely

626

"gâteaux" kely tsotra sady tsara raha hohanina miaraka amin'ny ankizy (tsingerin-taona, noely,...)

1) " PIECE MONTEE" - 

ZAVATRA ILAINA:

Ilaina ho an'ny "pâte-à-choux" : 
rano 25cl
dibera 80g
sira 1tsongo
lafarina 150g
atody 3

Ilaina ho an'ny "crème pâtissière" :
tamenak'atody 4
ronono masaka 1L
lafaraina 4 sotro fihinanana
siramamy
lavanila

Fikarakarana azy :

* Ho an'ny "pâte à choux" :
- ampangotrahana ny rano 25cl, raha vao mangotraka dia arotsaka ao ny beurre 80g efa notapatapahina, ary ny sira 1tsongo
- raha vao mitsonika ilay dibera dia indray arotsaka ny lafaraina 150 g, dia aroharoina amin'ny sotrobe hazo ary esorina avy eo ambony afo vetivety sady tohizana haroina ihany. 
- Alefahana ny afo, dia averina hataingina indray ilay casserole mandram-pisian'ny "film" manify miforona amin'ny sisin'ilay casserole. 
- vonoina ny afo, ary arotsaka ao ny atody iray manontolo ( tapotsiny sy tamenany mitambatra), dia aroaroina tsara mandram-pifangaron'ilay atody iray manontolo amin' ilay fangaro.

- Rehefa izay dia alefa indray ny atody faharoa, dia afangaro ho levona sy hifangaro tsara koa, dia torak'izay ilay fahatelo.

- Avela haka aina kely ilay paty, dia atao ao anaty "poche à douille" amin'izay, dia atao ambony lasitra miditra lafaoro izay efa nohosorana dibera na "papier sulfurisé" mba tsy hiraikitra. 
Raha tsy manana "poche à douille" dia sotrokely roa dia efa mety (ny iray mandroaka ny iray hanosehana) dia ampidirina lafaoro mafana tsara mandritra ny 15 à 20 minitra.

* Ho an'ny "crème pâtissière" : 
- ahandroina amin'ny afo mafana fa tsy mahery loatra sady aroroina tsy ankijanona amin'ny "fouet" mandritra ny fandrahoina azy, mba tsy hiraikitra na ho may. Dia avela hangatsiaka rehefa miraikitra iny tsara;

Fanambarana azy :
- ampidirina ao amin'ilay "pâte à choux" amin'ny "seringue" avy aty ambany amin'izay ilay crème pâtissière.

- manao tamberina "caramel" anaovana lakaoly mba hipetaka tsara ireo "mini-choux" rehefa ampifanaingenina, dia mbola caramel ihany koa no ametahana ny vatomamy isan-karazany.

2) "MINI - MADELEINE" - 

zavatra ilaina :
atody 3
siramamy 150g
lafarina 200g
lalovay simika 8g
dibera natsonika 100g
ronono masaka 1 vera
"crème liquide" ​hopla na danica sy siramamy hanaovana chantilly

Fikarakarana azy :

- kapohana ny atody sy siramamy mandra-pahalevon'ny siramamy. 
- arotsaka ny lafaraina sy lalovay efa nafangaro, aroina
- aroina koa ny dibera natsonika sy ny ronono
- zarazaraina anaty "mini-moule" taratasy na atao anaty lasitra efa nasiana taratasy fandrahoana "papier cuisson" na koa lalorina dibera
- Ampidirina anaty lafaoro efa nohafanaina mialoha eo amin'ny hafanana 180° dia masahana 15 na 20 minitra eo koa.

- kapohana ny"crème liquide" danica sy siramamy ho lasa chantilly dia asiana "crème chantilly" kely sy haingonkaingony kely dia vita!

Aza adinoina ny labozia kely manaingo azy koa!

nahandron'i Ralaitsirofo Mamiarisoa Lalao

 

Catégorie: