Mofomamy voatavo

728

Mofo mamy voatavo masak'entona

Zavatra ilaina:
- Atody 5
- siramamy 150g
- lafarina 150g 
- voatavo masaka mitovitovy fatra amin'ny lafarina

 Fikarakarana azy:

- Sarahina ny tamenaka atody sy tapotsiny.
- Kapohina ho lasa fotsifotsy be ny tapotsiny.
- Arotsaka ny siramamy dia kapohina ho levona tsara
- Arotsaka ny tamenany ary hafangaro tsara.
- Arotsaka ny lafarinina, afangaro tsara. Arotsaka ny voatavo efa masaka ary nopotsipotserina.
- Atao anaty lovia jobo mahazaka hafanana tsara dia andrahona atao "bain marie"

Araka ny habean'ny lasitra moa ny fotoana handrahoana azy. 

Mazotoa o

Nahandron'i Rafalimanana Aina Ratianarivo

 

Catégorie: