Muffin au chocolat

929

ODY AM - BAVA FO na SAKAFO MARAINA : MUFFIN au CHOCOLAT"

ZAVATRA ILAINA:

Ny sokolà eto dia ilay ROBERT mainty 100% (1) ary ilay misy COMBAVA sy "fleur de sel" (2)
- sokolà mainty 100% 75 gr
- sokolà misy COMBAVA sy "fleur de sel" 25 gr.
- Siramamy 150 gr.
- Dibera 100 gr.
- Lafarina 150 gr.
- Lalovay 1 fonosana
- Atody 4
- Sira 1 tsongo (eto aho tsy nampiasa sira fa efa misy anatin'ilay sokolà-combava-"fleur de sel"

FIKARAKARANA AZY:

- Afanaina mialoha ny lafaoro : 180°C
- Vakivakio ny sokolà dia atsonika anaty "bain-marie"
- Alaina ny dibera dia atsonika anaty vilany kely
- Maka lovia tsatokaty dia kapohana mavitrika miaraka ao ny atody sy ny siramamy
- Arotsaho indray miaraka ao ny lafarina, lalovay, (sira), sokolà, dia afangaroy tsara
- arotsaka ny dibera dia afangaro tsara
- hosory dibera ary fafazo lafarina ny lasitra kely dia fenoy an'ilay fangaro rehetra na hoe "appareil"
- Ampidiro anaty lafaoro mandritry ny 40 minitra eo ho eo
- Rehefa masaka dia avoaka , andrasana 5 minitra vao esorina tanaty lasitra.

MAZOTOA MIKARAKARA Ô !

Nahandron'i Lalao Razanamialy

Catégorie: