Nachos

633

TSAKITSAKY - APERITIF: NACHOS 

ZAVATRA ILAINA:

Lafarina 100g
Lafarina katsaka 100g  ilay tena voatoto tsara ireny,
Sira 5g,
Rano 80ml  (somary ampio rano kely raha maina loatra eo ampamolavolana azy),
Menaka oliva 40ml,
Paprika. 

FIKARAKARANA: 

Afangaro avokoa ireo zavatra ireo dia volavolaina tsara ireo hitambatra tsara.
Fisahana avy eo ary rarahana paprika.
Manao efajoro 5cm, tapahana hahazo telomira avy eo.
Endasina amin'ny menaka betsaka sy mafana.
Apetraka ambony "sopalin" na taratasy mba hitsika ny menaka dia aroso.

Azo hohanina amin'ny saosy "guacamole": potserina atao "purée" ny zavoka, asiana ranom-boasary makirana sy tongolo be ary persil voatetika madinika, fa azo ampiana izay tiana koa toy ny voatabia, sakay , "tabasco".

Fanamahirana:

Mety atao fonona sambôsa satria mijanona mikarepoka tsara sady mibontsina mihitsy nefa tsy misy lalovay, 
Mazotoa o 

Nahandron'i Bonbon Mamibé

 

Catégorie: