Nem amin'ny saosisy

826

TSAKITSAKY : NEM AMIN'NY SOSISY 
hafa kely ity nems ity fa saosisy efa vita ireny no natao tao anatiny ary nohanina tamin'ny lasary paoma efa nozaraina ihany koa

ZAVATRA ILAINA : 
paty famososana nem efa vita 
saosisy 
olatra na hoe champignon
tongolo maintso 
poarò (poireau)
paty blanche (paty vita amin'ny vary)
dipoavatra 
carry kely 
menaka fanendasana

FIKARAKARANA AZY:

nalaiko ny sosisy dia navoakako ny tao anatiny , ary nafangaroko olatra, tongolo maintso sy poaro efa voatetika madinika avokoa, 
nampangotrahana kely ny paty majinika vita amin'ny vary dia tsihifina ary tetehina ihany koa, asiana dipoavatra sy carry kely dia nafangaro daholo.
Alaina ny fonosana nem dia asiana sesika ary endasina amin'ny menaka mafana

mazotoa o

nahandron'i Julie Patricia Ranaivoarijaona 

 

Catégorie: