Nofo-kisoa atono

698

KITONOTONO : TONON – KISOA 

Zavatra ilaina :

nofon-kisoa (Filet de porc)
tehezan-kisoa (côte de porc)
fromazin'osy (fromage de chèvre)
salady
tongolo
voatabia
saosy isan-karazany

Fikarakarana :

- Ho an'ny nofon-kisoa :
Nolomana tamin'ireto : ketchup, tongolo gasy, moutarde, sira, menaka oliva ary vovona sakaibe mena (poivron rouge) maina. Alona 1ora mialoha dia atono.

- Ho an'ny tehezan-kisoa :
Nolomana tamin'ireto : « purée de tomates » efa nisy ravina ‪#‎timjan‬ , tantely, sakamalaho ary voasary makirana. Alona 1ora dia atono.

- Ho an'ny tongolo :
Nolomana tamin'ireto : vinaigitra balsamika sy menak'oliva
Nampidirina lafaoro 150°C (na atono ihany koa dia mety).

- Ho an'ny fromazin'osy (fromage de chèvre) : 
Ny fromazy kosa dia tonga dia natono, rehefa manomboka misy lokony dia vita.
Ny salady ampiarahana aminy indray moa dia ny efa mahazatra : salady, tongolo, voatabia sy izay saosy tiantsika (vinaigitra na voasary makirana, menaka, sira, moutarde kely)

– nahandron'i Prisca Randriharimalala

Mazotoa o 

 

Catégorie: