Nofon'akoho sy saosy tantely

1128

LAOKA RITRA: NOFON'AKOHO SY SAOSY TANTELY 

Tena mora atao ity nofon'akoho nampiarahina amina saosy misy tantely ity!

ZAVATRA ILAINA :

- Nofon'akoho
- Tongolo gasy
- Tongolo be
- Sakamalaho
- 4 épices
- Tantely indroa ny sotro fihinanana
- Saosy soja indroa ny sotro fihinanana
- Rano 50 cl
- "Fécule" iray sotrokely
- Poti-mofo sy lafarinina mitovy habetsahana
- Atody 
- Rano indray ny sotro fihinanana
- Menaka indray ny sotrokely
- Kotomila atao haingony
- Menaka sy dibera hanendasana 

FIKARAKARANA AZY :

- Miara-totoina ny tongolo gasy, tongolo be ary ny sakamalaho. Dia avy eo ampiana 4 épices. Io fangaro io no handomana ny nofon'akoho mandritra ny ora vitsivitsy. Tena tsara raha alina iray.
- Rehefa hanendy azy : afangaro ny poti-mofo sy lafarinina. Afangaro ihany koa ny atody, menaka ary rano kely.
- Asoka ao anaty atody misy fangaro ny nofon'akoho dia avy eo ao anaty poti-mofo misy fangaro. Averina fanindroany ao anaty atody dia avy eo ao anaty poti-mofo indray: io ilay antsoiko hoe "double panure". Izay vao endasina : atsonika aloha ny dibera izay vao arotsaka ny menaka. Mafana ireo dia alefa ny nofon'akoho. Afo tsy dia mafy loatra mba hanamasahana tsara ny any anatiny.

Fanaovana ny saosy :

Afangaro tsara ao anatin'ilay "bol" nanaovana ny fangaron'ny akoho ahazoana ny hanitr'ireo fifinto (tsy mbola nosasana izany an!) ny tantely, saosy soja, "fécule", rano. Avy eo atao ambony afo malefaka be mandritra ny 10 minitra raha kely indrindra. Afangaro hatrany mandritra izay fotoana izay. Izay itiavanao ny faharitrany no hanajanonanao azy avy eo. 
Rehefa aroso dia arotsaka eo ambonin'ireo nofon'akoho ny saosy misy tantely. Kotomila no nanaingoako azy tamin'ity.

FANAMARIHANA: 

Raha tiana harikivikivy kely dia azo asiana ranom-boasary makirana kely! Fa tsy ilaina izay raha hohanina miaraka amin'ny salady izy!
Vary fotsy tsy misy fangaro no tena tsara miaraka aminy raha tiana!

Mazotoa  ô!

 

Nahandro sy sarin'i Joëlle Philippe‎ 23.03.18

Ingrédients: 
Catégorie: