Oeufs sur plat sauce

Portrait de Angie
517

ATODY SAOSY hafakely na "OEUFS SUR PLAT SAUCE" na "OEUF OBELIX" 
 

Zavatra ilaina : 

Atody: izay sahaza 
tongolo be :1 lehibe 
"Crème fraîche" : 2 sotro fihinana 
Saosy voatabia misy "basilic": 2 sotro fihinana 
Sira sy dipoavatra
Dobera kely (azo atao menaka )
Fromazy voakiky raha tiana
Menaka fanendasana 

Fikarakarana azy : 

1. Tetehina madinika ny oignons. 
2. Maka casserole kely na vilany kely dia atao ao ny beurre rehefa miempo dia arotsaka ny oignons efa voatetika rehefa hita fa mendimendy mivady doré dia arotsaka ny saosy voatabia sy basilic ary ny dipoavatra sy ny sira . Afangaro tsara. 
3. vonoina ny afo dia arotsaka ny "crème fraîche" dia afangaro tsara. 
4. Maka lapoaly dia asina menaka. Atao ny oeufs sur plat (ny ahy teto atody 2 isaky ny manao ), avy eo Araraka eo amboniny ilay saosy efa natao mialoha. Tandrema tsy ho vaky ny tamenany.
5. Azo rarahana ​fromazy voakiky raha tiana 
6. Hohanina miaraka amin ny mofo sy salady maintso. 
Azo atao sakafo atoandro na azo atao goûté na "entrée" ihany koa miankina amin ny tsirairay io 

Mazotoa indray ary ho antsika izay mankafy ô.

Nahandron'i Soa Bonheur Bourmancé

 

Catégorie: