Orita frity

231

ity indray Orita frite tena miam miam be an (poulpe frite)

NB: raha mbola tsy madio no vidiana dia mila jerena tsara ny loko raha vao tsy mangirana izy dia tsy frais an. Esorina ny masony sy ny nifiny fa tsy tetehana , somary kapokapohana , izany hoe alaina dia akapoka amin'ny latabatra hiasana ao andakozia ary tena heno miova miha malemy izy. vita izay vao sasana tsara.
raha efa voasasa kosa no vidiana dia kobanina dia tonga dia azo atao izay hitiavana azy . eto izany dia endasina

Zavatra ilaina :

Orita, farine, sira, citron ary menaka fanendasana

Fikarakara azy :
tetehina ny orita araka izay habeany tiana dia atao anaty sachet lehibebe, raraha farine ao ary dia hidina hibotsina tsara toy ny balon ary ahotsakotsana tsara, eo izy dia mandray ny fariny mitovy daholo fa tsy mitazona izay mihoatra loatra, 
maka vilany avo tsy dia lehibe loatra fa tsy lapoaly fisaka, hafanaina ny menaka dia endasina tsikelikely mba tsy hampiova ny temperature, tsy atao elabe fa mora masaka raha vao elabe ao dia vao maika mihamafy , noho izany tena vao miova loko dia esorina, atao ambony essui tout na emballage hifoka ny menaka dia aroso miaraka amin'ny citron .

Mazotoa indray ary o

Sary nindramina fa simba ny sary teto 

 

Catégorie: 
Matériels: