Ovy mihaingo

684

 OVY MIHAINGO - " POISSON BELLEVUE"

ZAVATRA ILAINA :
Ovy
nofon- trondro (afaka soloina "sardine" na "thon" amin'ny boaty raha tsy misy)
atody
menaka
sira
salady

FIKARAKARANA :
- Masahana aman-kodiny ny ovy, dia voasana
- Masahana ny nofon-trondro dia potehana (soloina amin'ny boaty raha tsy misy)
- Etsy andaniny, manao "mayonnaise" amin'ny atody sy menaka
- Afangaro ny ovy efa nopotserina, ny nofon-trondro efa nopotehana ary ny mayonnaise, andramana ny sira dia ampiana kely raha tsy ampy.

FANAINGOANA :
- Velarina ambony "plateau" ny ravin-tsalady tsirairay efa voadio
- Alefa eo afovoany ny fangaro tetsy ambony dia omena endrika hazo
- Lalorina "mayonnaise" indray dia rangotina amin'ny sotro rovitra
- Haingoina amin'izay tianao (persily kely, didin'atody masaka, na haingo noely tsy fihinana)
Mazotoa homana tompoko !

 Nahandro sy sarin'i Holinirina Ramanankasina

Catégorie: