Ovy nendasina

Portrait de Angie
521

Ovy nendasina na "sauté de pommes de terre"

zavatra ilaina:

Ovy izay sahaza

tongolo lay

tongolo ejipitra

sira sy dipoavatra.

menaka

 

Fikarakarana azy:

-Nandrahoina anaty rano mangotraka misy sira 10mn ny ovy voatetika somary ngeza tsy atao masaka be mifotetaka akory

- endasina anaty lapoaly misy menaka ny lay sy ejipitra

-arotsaka ao ilay ovy teo aloha efa voatsihika ary endasina tsara. Tandremo rehefa mamadika azy mba tsy ho potika, andraso ho somary mendy ny fanambaniny vao mamadika

-rehefa hita fa masaka tsara tsy potika ny ovy dia vita.

- Aza adino ny sira sy dipoavatra.

Fihinana miaraka @ hena izy ity, ka rôti de poulet io itanareo io.

Mazotoa.

Nahandron'i Bonbon Mamibe

 

Catégorie: