Ovy sy totokena anaty lafaoro

127

OVY SY TOTO-KENA  ANATY LAFAORO

ZAVATRA ILAINA

ovy mena, 

persila 

sira,

dipoavatra

tongolo gasy,

menaka oliva, 

Totokena

FIKARAKARANA AZY:
 

Hafanaina mialoha ny lafaoro 180°
Maka ovy mena izay isa tianao zaraina 4 miaraka amin'ny hodiny,
Tetehina ny persila sy tongolo gasy 
Afangaro amin'ny vilia bol miaraka amin'ny ovy ny persila, sira, poivre, ary tongolo gasy asiana menaka oliva,

Atao anaty lafaoro mandritra ny 45mn , 180 °C.
Maka lapoaly na vilany dia manendy totokena mitokana araka izay tiana hanaovana azy na asiana "epices" na tsia
Rehefa vita dia afangaro rehetra.

Mazotoa ary!
Fanamarihana: Azo aroso miaraka amin'ny lasary concombre sy mais

nahandron'i Nylà Rom Bauserman

Catégorie: 
Matériels: