Pâtes au crème de saumon

103

SAKAFO FENO : PATES AU CREMES DE SAUMON 

ZAVATRA ILAINA:

tranche de saumon frais,
tongolo be,
persila kely,
dibera,
ronono kely,
dipoavatra raha tiana
fromazy filadelfia (afaka soloina izay fromage blanc misy na mascarpone na creme fraiche koa). 

FIKARARAKARANA AZY:

- ampangotrahana ny rano asiana sira dia arotsaka ny paty.
- mandram-piandry ny paty ho masaka dia atao ny saosy, tetehana ny tongolo be dia endasina amin'ny dibera atao menamena tsara , arotsaka ao ny saumon voatetika majinika ary afaka 5 minitra eo dia arotsaka ny fromazy filadelfia, asiana sira, ( ho an'ny lehibe dia afaka asiana dipoavatra sy persila notetehana majinika dia vonona ny saosy, ho an'ny ankizy kosa dia totohina ary asiana ronono kely )
- tsihifina ny paty rehefa masaka (al dente= tsy atao miboledaka)  ary araraka ao anaty lapoaly efa misy ilay saosy ary afangaro tsara mba hahazo sauce avokoa. 

Fanamarihana:

- azo asiana ronono ilay sauosy raha somary maina loatra, tokony ho cremes mantsy, ary indraindray koa lasa be loatra ny pates ka tsy ampy ny saosy dia ampiana ronono kely aloha dia aroina hifangaro tsara vao arotsaka ny paty. azo asiana menaka oliva bebe raha tsy tia ronono ny lehibe na hamelana ny rano nandrahoana ny paty vao tatavanina, dia iny rano iny no handemana azy raha maina loatra

- azo soloina thon na nofotrondro izay misy , fomba hampihinana trondro ho an ny ankizy sy hanovana ilay paty sy fromazy foana io

- tsy asiana fromazy voakiky ny trondro ho an'ny italiana.

mazotoa

 

 

Catégorie: 
Matériels: