Pain au chocolat

459

PAIN AU CHOCOLAT 

ZAVATRA ILAINA  

"Pâte feuilletée levée" :
lafarina 250g,
ronono 1/8 L,
siramamy 1sotro,
lalovay " boulangère" 1sotro,
sira 1 tsongo,
dibera 100g (euro cuisine no nampiasaiko teto),
atody atao "dorure",
sôkôla
 

FIKARAKARANA AZY:

- Afangaro anaty "bol" ny lafarina, siramamy, sira, lalovay ary ronono, rehefa voavolavola tsara dia avela hilona ao mandritra ny 2ora
- Velarina ny paty avy eo ary potehina eo afovoany ny dibera (malemy), dia fonosina avy eo. Fisahana hahazo endrika mahitsizoro ary avalona toy ny "pochette" (eo amin’ny sary) (tour simple) avela hilona indray mandritra ny 15mn dia kosehina lavalava indray dia avalona toy ny "pochette" hatrany , avela hilona 15mn indray , rehefa izay dia kosehina ary avalona toy ny teo aloha ihany; izany hoe "tour simple" intelo, avela hilona 15mn dia kosehina ho fisaka amin’izay,
- Fisahana dia tetehina mahitsizoro toy ny amin'ny sary asiana sôkôla ary ahorona
- Avy dia apetraka anaty lasitra ary avela hilona eo mandritra ny 20mn, hosorana "dorure" (atody nokapohina)
- Ahiditra anaty lafaoro nohafanaina mialoha amin’ny hafanana 200° mandritra ny 20mn
Afa-po aho , mazotoa daholo a!

nahandron'i Aina Rakotoarisoa

Catégorie: