Pain au lait 2

Portrait de Angie
1067

ODY AMBAVAFO na SAKAFO MARAINA :PAIN AU LAIT

ZAVATRA ILAINA
120ml ronono matimaty
3 càc siramamy
1 càc lalivaina (levure boulangère sèche) SAF INSTANT no nampiasaiko
2 atody
300 gr lafarina
45gr dibera malemy
½ càc sira

FIKARAKARANA AZY :
Afangaro ao anaty tsatokaty (bol, saladier) ny lalivaina sy ny ronono matimaty. Arotsaka ny siramamy, ny atody ary afangaro amin’ny sotro hazo dia avy eo arotsaka ny lafarina sy ny sira. Nafangaroko tamin’ny tanana (tsy mahazaka ny robot) nandritra ny 7-8minitra teo ho eo . 
Nafangaro taminy ny dibera malemy, dia notohizana novolavolaina teo amin’ny 5minitra teo ho eo. Rehefa vonona ny paty, dia noraisina tamin’ny tanana avy nosorana menaka kely satria somary mairaikidraikitra kely ilay izy ary natao bolabola iray ka natao tao anaty tsatokaty iray hafa efa avy nosorana menaka kely. Nosaromana "film alimentaire" na lamba madio ary navela tao anaty lafaoro mihidy izay efa nasiako hafanana kely (efa tsy mirehitra intsony ny lafaoro amin’io an) ajanona ao mandritra ny 1ora sy sasany eo ary tokony ho nitombo avo roa heny ny habeny.
Rehefa nibontsina tsara ny paty dia navoaka, nesorina ny rivotra, tsindrina amin’ny totohondry ny fanalana azy, apetraka eo amin’ny latabatra fiasana, norarahana lafarina kely, atao lavalava be toy ny saosisy. Tapahana 8 ilay lavalava ary apetraka eo amin’ny toerana nasiana lafarina kely. Amboarina tsirairay atao fisapisaka lavalava eo amin’ny 20cm eo dia avy eo aorina toy ny tsihy dia apetraka ao anaty « moule » efajoro efa nosorana menaka sy norarahana lafarina kely, na atao eo ambony « papier cuisson » , atao toy izay izy 8. Dia saromana « sachet » plastika indray ary averina ao anaty lafaoro maty fa avy nafanaina kely indray ka tokony hiverina hibontsina indray afaka 1ora 30min, dia avoaka
Afanao mialoha 180° ny lafaoro, mandritra izay fotoana izay dia alaivo ny atody faha2, kapohy ary hosory amin’io ilay paty voaomana mba hanome loko azy rehefa masaka (atody sy creme liquide 5ml no voalaza fa tsy nanana izaho), andrahoy mandritra ny 15min dia vita.
Mazotoa manandrana, fanandramana voalohany io nataoko io, matsiro ery ary tena tian’ny ankizy.

Nahandro sy sarin'i Virginia Razafy Harison. 10.10.2017

 

Catégorie: