Pain de mie

454

PAIN DE MIE

ILAINA ho an'olona 6 :
lafarina 400g
ronono 1pot yaourt (125cl)
rano 1pot yaourt
" levure boulangere" 2 sotro kely
siramamy 2 sotro lehibe
sira 1 sotro kely
dibera 20g
atody 1 (atao "dorure")

FIKARAKARANA : 

- Afangaro anaty bol ny : lafarina + sira + siramamy + lalovay + ronono + rano. Volavolaina hahazo boribory tsara, 
- rehefa tsy miraikitra amin'ny tanana intsony, dia alefa ny dibera malemy, volavolaina tsara hifangaro. 
- Rehefa izay dia saronana lamba mando ary avela hilona ao mandra-pitombony avo roa heny (volume x 2). 1ora eo.
- Avy eo, averina volavolaina indray, omena endrika lavalava mitovy halava amin'ny lasitra cake, ary avy dia apetraka ao, avela hilona ao indray mandritra ny 1ora
- lalorina "dorure" amin'ilay tamenak'atody voakapoka ny ambony ary ampidirina lafaoro mandritra ny 25minitra amin'ny hafanana 180°C, avela hangatsiaka vao esorina ao anaty lasitra

Nahandron i Aina Rakotoarisoa

 

Catégorie: