Pain farci

609

PAIN FARCI - Mofo voasesika

PATE:
lafarina:300g,
siramamy: 3càs,
Sira: ½ càs,
Levure boulangère: 1 càs,
menaka: 3càs,
ronono matimaty : 1 kopy kely

NY SESIKA
Totokena,
karaoty notetehina en dé,
tongolo oignon,
Fromage notetehina en dé,
sira,
dipoavatra

FIKARAKARANA

Aravona anaty ronono ny lalovay,
Arotsaka anaty bol ny lafarina, sira, siramamy, atody voakapoka, menaka, huile, ary ny lalovay sy ronono
Atambatra ireo, dia tokony ahazo paty mitambatra malefaka tsara isika
saromana lamba dia avela hipetraka 1h, mandrapitombo avo roa heny ny paty

Mandrampiandry ny paty dia karakaraina ny sesika :

Endasina miaraka ny zavatra ilaina rehetra afa-tsy ny "fromage rapé"
Rehefa vita ny paty , niakatra tsara, dia zaraina maromaro, mahavita 7 - 10 boribory eo ho eo
fisahana dia asiana sesika tsirairay, eo ambony sesika no asiana ny "fromage rapé" (jereo ny sary)
Ahorona toy ny manorona PAO fa eto izy, somary fisahana amin’ny Tanana mba hivelebelatra kokoa
Alahatra ambony plaque amin’izay dia tracéna amin’ny antsy ny eo ambony
Avela hipetraka eo ora iray eo ho eo indray hitombo ilay pate

Nasiako "dorure" ny ahy (nolalorina tamenakatody) dia avy eo nasiana sesame
(hatreto raha PAO no atao fa vapeur ny cuisson)
Fa ny atsika eto pain no atao;
Atsofoka anaty lafaoro 180°, 10 à 15 mn,
Mazotoa daholo ary o !

Nahandron'i Nix Diamant , nokarakarain'i Aina Rakotoarisoa

 

Catégorie: