Pakopako au coco

791

SAKAFO MAHALEO TENA : PAKOPAKO MISY VOANIO 

ZAVATRA ILAINA :

Lafarina 500g 
sira 1 sotrokely
Rononom-boanio 1 vera na mihoatra kely (lait de coco)
Menaka fanendasana

FIKARAKARANA AZY:

- atao ambony latabatra ny lafarina dia lavahana eo afovoany ary araraka ao ny rononom-boanio antsasany aloha sy ny sira dia afangaro tsikelikely sy volavolaina tsara mandrapaha tonga azy ho henjana tsara dia atao boribory
- azo ampiana lafarina raha malemy loatra na ampiana rononom-boanio raha tsy mitambatra tsara. Rehefa vita dia apetraka kely aloha eo amin’ny ora iray eo na mihoatra. 
- Rehefa izay, dia maka paty kely dia atao boribory amin’ny tanana ary kosehina amin’ny “rouleau” na tavoahangy ho fisaka manify tsara.

FAHANDRO AZY :

- Hafanaina ny menaka betsaka dia endasina , vetivety dia masaka ary mibotsika izy ity rehefa masaka
Nohanina tamin’ny lasary kokombra sy voatabia voakiky nasiana voasary makirana sy sira fotsiny dia akoho natono , fa azo atao koa ny hena saosy na trondro endasina, na legioma fotsiny raha “végétarien”

Fanamarihana :

rononom-boanio tamin’ny boaty eto no nampiasaiko fa afaka kikisana ny voanio dia asiana rano mafana kely volavolaina tsara hivoaka ny ronono, atao anaty lamba madio dia fihazana tsara hahazoana ny ranony.

Mazotoa o !
nahandron'i Andry Rungi

 

Catégorie: