Palmier

966

ODY AM-BAVA FO na TSAKITSAKY : PALMIER

ZAVATRA ILAINA :

pate feuilletée efa vita na jereo ny fanaovana " PATE FEUILLETEE" vita an-trano 
siramamy kely 
dibera natsonika 

FIKARAKARANA AZY :

- Velarina ny paty mahitsizoro, hosorana dibera natsonika ary fafazana siramamy, ahorona toy ny tsihy miditra hamonjy ny afovoany ny andaniny roa, didiana 1sm avy eo ary atao ambony lasitra
- hosorana dibera natsonika indray ary fafazana siramamy, atao anaty lafaoro efa nafanaina mialoha 210°C mandritry ny 10minitra, avadika ny palmier dia tohizana180°C mandritry ny 10 minitra. Afaka ampiana kely ny fotoana raha tsy ampy.

Mazotoa o !

Jereo ny fikarakarana an-tsary 

Nahandron'i Vero Randriam 

 

Catégorie: