Pancake

322

Afaka atao salé na sucré araka izay tiana hihinana azy ny pancake , toy ny crepes ihany 

ZAVATRA ILAINA 

ka raha vitsy no atao dia afaka atao antsasany ny fatra

mahavita 12/14 pancakes :

- 300 gr lafarina

- 40 gr siramamy

- 1 lalovay simika (raha tiana)

- 1 tsongo sira

- 2 atody

- 40 gr dobera malemy na menaka

- 370 ml ronono matimaty

(afaka asiana yaourt nature 1 pot dia hanesorana ny ronono )

FIKARAKARANA AZY

Afangaro miaraka daholo ny rehetra fa ny maina no atao aloha (farine , sucre, levure, sira izay vao ireo ronono sy atody ary beurre ) ary kapohana tsara hitambatra , azo atao koa anefa ny manasaraka ny atody ka ny mena no atao aloha fa ny blanc kosa atao en neige ary araraka moramora ao rehefa mitambatra ny pate, afangaro avy any ambany no miakatra (ity moa dia toy ny manao gateau ireny ihany)

Afanaina ny lapoaly ilay tsy miraikitra ireny ohatra Tefal , dia tsy asiana menaka (misy manisy dibera na menaka safoina toy ny manao crepes ) raha efa misy dibera na menaka ao anatiny dia tena tsy ilaina nefa koa miankina amin'ny lapoaly, alaina amin'ny sotrobe ireny ary araraka eo amin'ny lapoaly , rehefa misy ohatry ny lavadavaka kely dia avadika, tokony ho eo amin'ny 45 segondra eo ny ilany avy dia vita 

NB : raha atao masira moa ny pancakes dia mazava ho azy fa tsy misy io siramamy be io

azo hohanina amin'izay tianao: "confiture, sirop, chocolat, jambon, fromage ..."

Mazotoa o 

Catégorie: