Pancake banane

1028

Miarahaba ny manaraka ny Mamina, 
Ity ary ny gouter tsotra sy mora tokoa raha mba te hiova amin'ny mahazatra 

GOUTER na SAKAFO MARAINA : PANCAKE BANANE - mofo akondro sy atody - frittata di banana- banana pancakes

ZAVATRA ILAINA
Akondro 1
atody 1
azo asiana lavanila raha tiana
Mahavita 4 kelikely na telo lehibebe.

FIKARAKARANA AZY
Kapohana ny atody arotsaka ny akondro dia potserina hifangaro tsara.
Maka lapoaly tsy miraikitra dia hafanaina aloha (azo lalorina menaka kely na dibera ihany koa) ary araraka amin'ny sotro be ny fangaro. Rehefa misy lavadavaka na "bulle " kely betsaka dia efa maina ny ao ambany izay dia avadika kely. 
Azo aroso miaraka amin'ny nutella, kaonfitiora, chantilly, sirop d'erable ...

FANAMARIHANA
Malemilemy izy noho ny akondro ary tsy misy lafarina sao ianao gaga hoe toa tsy henjana, fa tsara tsiro sy tian'ny ankizy
Azo asiana sokolà na nutella na chantilly hampitombo ny tsirony :) 
 

Mazotoa o

Sary sy nahandron'i Andry Mamina

 

Ingrédients: 
Catégorie: