Panna cotta coco - vanille aux mangues

687

PANNA COTTA COCO - VANILLE AUX MANGUES

Zaraina am - pitiavana fa afaka ovaina ny voankazo : 

ZAVATRA ILAINA :
ronono 250ml
"lait de coco" 125ml
"crème liquide" 125ml
hanitra lavanila
siramamy izay mety aminao
"feuilles de gélatine" 4
rano mangatsiaka be (eau glacée)
manga

FIKARAKARANA AZY :

- Maka "feuilles de gélatine" 4 atao anaty "eau glacée".
- Afangaro ny ronono 250 ml ; ny lait de coco 125 ml ; ny crème liquide 125 ml ; ny hanitra lavanila ary ny siramamy amin'izay mety aminao. Dia ampangotrahana ireo. 
- Tsihifina tsara ilay gélatine dia arotsaka ao, dia afangaro tsara.
- Avela ho matimaty, dia arotsaka anaty vera, atao anaty vata fampangatsiahana atao mihorirana ohatry ny amin'ny sary io,
- azonao atao ny mampiasa plateau na atody ireny hampiorirana azy.
- Rehefa handroso azy, dia asiana manga voatetika na izay vonkazo tiana hafa koa.

Mazotoa o!

nahandron'i Bao Rakoto 

 

Catégorie: