Pao

31

 

Recette Pao misy hisafidianana :) 

recette 1 PATE PAO

500 g lafarinina 1 sotrokely feno,
lalovay na "lévure de boulanger instantanée" (Fermipan, Saf-instant,)
100 g siramamy (6 sotro eo ho eo)
50 g dibera margarine (azo soloina menaka)
¼ litatra rano (tsy voatery ampiasaina daholo fa arotsaka tsikelikely)

SESIKA

Tsa tsiou masaka 
1 sotro sauce huître
¼ sotrokely sira
2 sotrokely siramamy (azo ahena na ampitomboina)
1 sy tapany sotrokely menaka
1 sotrokely sauce soja mainty
1 sotro maïzena na maize (azo soloina fécule de manioc)
2 sotro rano
2 sotro graine de sésame fotsy voaendy (azo tsy asiana !)

Afangaro tsara ireo dia avela hangatsiaka anaty vata fampangatsiahana

FIKARAKARANA:  

Atao anaty bol ny lafarinina dia arotsaka ny sira, siramamy, dibera. Afangaro tsara dia arotsaka ny lalovay efa nolevonina tamin'ny rano arotsaka tsikelikely(ampiana rano kely raha hita fa tsy ampy). Afangaro tsara amin'ny tanana dia avela anaty bol misarona lamba mando adiny iray na mihoatra mandra-pitombo tsara ny pâte (double du volume inital). Rehefa izany dia volavolaina indray ary sarahina tsirairay eo amin'ny 60 g eo ho eo.

Rehefa voasaratsaraka ilay pâte dia atao boribory ary fisahina amin'ny "rouleau". Apetraka eo afovoany ny sesika dia hidina (aforitra avy ety ivelany mankeo ambony ilay pâte talesaka boribory dia tsongoina mba hihidy tsara). Apetraka tsirairay ambony taratasy voatapaka efajoro (na papier sulfurisé) dia avela hitombo amin'ny toerana mafàna mandritra ny 30 – 35 minitra.

Marihina fa raha rano mafana no ampiasaina manao pate de mitombo kokoa ny pate.

Andrahoina amin'ny enton-drano mandritra ny 15 minitra eo ho eo (cuit vapeur, na rice cooker)

 

Recette 2 de Vololona Rakotozafiarison

lafarina 1kg,
lalovay :levure boulanger 1 fonosana ( Saf instant)
rano matimaty 1/4 l

Atao anaty tsatokaty ny lafarina sy lalovay dia afangaro tsara. Arotsaka tsikelikely ny rano ary dia tohizana afangaro tsara amin'ny tanana (bien petrir ) mandritry ny  10 minitra,
Rehefa mahazo paty malama tsara tsy miraikitra amin’ny  tanana sady malefaka tsara dia atao anaty tsatokaty lehibebe ary saromana lamba maina matevina mandritry ny ora roa.
Tsy sokafana mihitsy. Rehefa vita zay dia karakaraina ny sesika izay tinao.

Rehefa tapitra ny 2h dia sokafana lay lamba dia afangaro tsara amin'ny tanana indray (petrir )  5 minitra eo indray ilay pate. Atao boribory avy eo. Afangaro tsara amin'ny tanana  indray na dia kely fotsiny30 segondra indray lay boribory alohan'ny anafisahana azy. Fisahana lay boribory dia mahazo boribory fisapisaka ilay pate. Marihiko fa somary atao matevina kokoa ny afovoan'ilay izy efa fisaka iny. Apetraka afovoany tsara ny sesika izay tianao. Tandremana tsy  ho mitsiranoka ilay sesika. Tandremana koa mba tsy ho voa ny sisin’ ny pate rehefa mametraka sy manakatona ny pate fa manjary tsy miraikitra .

Atao ambony taratasy sulfirisé . Atao masakevoka (à la vapeur) : izany hoe mampangotraka rano anaty vilany be, avy eo apetraka eo ambony ilay lasitra misy an'ilay paty dia saromana ny vilany ka ilay entona mafana iny izany no manamasaka azy mandritra ny ora iray eo ho eo.
45 min no temps  de cuisson raha manta ny sesika. Fa 35 min kosa raha efa masaka ny sesika

Mahavita eo amin'ny 17 eo raha tiana ho lehibebe.

 

Mazotoa o

 

 

Catégorie: 
Matériels: