Pao

962

PAO NA BRIOCHE CHINOISE
 

ZAVATRA ILAINA 

Lafarina 500g 
Lalovay "levure de boulanger instantanée (Fermipan, Saf-instant,)"20g. 
Ronono na rano matimaty 250ml ( arakaraky ny lafarina fa arotsaka tsikelikely)
Siramamy 50g 
Menaka 2 sotro fihinana 
sira antsasaky ny sotrokely 

Ny sesika dia izy tiana fa teto dia: 
Olatra (Champignon) 
Tongolo be 
Totokena 250g 
Atody masaka aman-kodiny (oeuf dur). 
sira 
dipoavatra 

FIKARAKARANA AZY 

Ny paty no atao aloha ka dia afangaro daholo ireo akora ireo ary dia bolabolaina tsara . 
Apetraka adiny 2 mba hitombo izany hoe avela anaty bol misarona lamba mando mandra-pitombo tsara ny pâte. 
Dia karakaraina ny atao sesika aloha, eto moa dia endankedasina ny totokena sy tongolo asiana sira sy dipoavatra 
Rehefa vita ny adiny roa dia potsipotserina hiala ny rivotra ary tapatapahana, izany hoe didina madinika dia fisahana amin’ny “rouleau” na hazo na koa tavoahangy. 
Apetraka eo afovoany ny sesika ary asiana atody masaka efa nodidina boribory, dia hidina (aforitra avy ety ivelany mankeo ambony ilay pâte talesaka boribory dia tsongoina mba hihidy tsara). Apetraka tsirairay ambony taratasy voatapaka efajoro (na taratasy fotsy A4 “papier sulfurisé”) dia avela hitombo amin’ny toerana mafàna mandritra ny 30 – 35 minitra.
Hafanaina ny rano dia atao masakevoka mandritra ny 15 na 20minitra na koa amin’ny rice cooker 
 

Fanamarihana : 
Aza dia atao betsaka loatra ilay rano hanamasahana azy.
Ary rehefa masaka ilay izy tsy tonga de sokafana fa avela 2minitra eo ho eo. 
Ary ailana kely ny saro-bilany hivoahany’ny entona moramora .
Rehefa fa niala ny entona dia azo sokafana avy hatrany. 
Ary aroso ambony vilia 

Mazotoa o

Nahandron'i Malalatiana Raharison‎

 

Catégorie: