Pate à choux (lafaoro gasy)

440

MOFO RIVOTRA - "Pâte à choux nature ultra facile et fait maison"

 ILAINA :

ronono matimaty 125ml rano 125 ml dibera 125g lafarina 150g sira 1tsongo atody 5 sotrobe hazo hikarakarana azy

FIKARAKARANA :

- Ambony afo malefaka : alefa ao amiń'ny vilany ny ronono sy ny rano ary ny dibera ; rehefa mangotraka izay, dia alefa ny lafarina

- Rehefa mitabaingana dia somary sokafana amin'ny sotrobe mba ho maina (deshydrater-na) ilay paty

- Esorina amin' ny afo dia alefa ny atody 1, aroina sy kapohina tsara ilay paty! Alefa indray ny atody fanindroany dia aroina hatrany, dia alefa toy izay avokoa ny atody 5 ; izay vao asiana sira 1 tsongo

- Tsy kapohana elabe ny paty akory! Na izany aza!! Mila mahazo toy ny "ruban" ilay paty ! Izany hoe tsy miraikitra be nefa koa tsy mitsaronaka be

- Alaina ny lasitra asiana "papier aluminium" eo ambony (fa ny ahy adinoko dia nataoko gazety)

- Alaina ny "poche à douille" dia atao ao ny paty ary dia omenao izay bika tianao eo ambony lasitra (boribory sy lavalava)

FAHANDRO AZY:

- Lafaoro gasy : 30 minitra : izany hoe vilany asiana fasika dia hafanaina amin'ny afo malefaka ao ambany ary avadika ny sarombilany dia asiana afo bebe kosa eo ambony . 

Lafaoro vazaha : 180°C  mandritry ny 25minitra (efa nafanaina mialoha hatrany ny lafaoro na gasy na vazaha)

Fika kely: - eo amin'ny 10 minitra eo ho eo dia sokafana kely ny lafaoro hahazo rivotra 2mn mba hampibotsina tsara ny paty, dia tohizana indray mandra- pahazon'ny paty lokom-bolamena (=masaka)

- Afaka asiana "crème patissière" ao anatiny na koa hoe sokola! Mety foana ! Nahavita betsaka fa tsy tadidiko ! Izaho tsy nanisa !

Mazotoa tompoko!!

Nahandron'i Tatie Nix 

Catégorie: