Pate de tete

798

FANOKAFAM-BAVONY na LAOKA : PATE DE TETE misy hanitra maintso
Fromage de tete 

Zavatra ilaina :

lohakisoa 1 amin'ilay atsasany iny, matetika silany no amidy eny amin'ny mpivarotra dia iny no nahavitako an'ireo
persil ny ahy teto
tongolo gasy
sakamalaho
sira 
dipoavatra
rano
 

Fikarakarana azy :

rehefa voadio sy voakarakara tsara ny lohakisoa dia andrahoana amin'ny rano mandifotra azy miaraka amin'ny tongologasy sy sakamalaho ary dipoavatra, tsy adino ny sira
rehefa hita fa malemy ny hena dia esorina tao anaty vilany (tsy arina ny rony ambony tao an fa avela ao ihany) dia esorina ny taolany, avy eo tetehana manify na efamira izay tinao
rehefa vaotetika dia averina ao anatin'ilay vilany nandrahona azy teo miaraka amin'ilay rony tavela tao, dia arotsaka ao ihany koa ny persil efa voatetika, afangaroy tsara, andramo ny sira sy ny tsiro dia azonao ampiana izay hanitra sy tsiro izay tinao, avela itanika 5 minitra fotsiny dia vonoina ny afo
ataovy ao anaty lasitra izy endriny tinao dia avelao hanngatsika, rehefa mangatsika dia azo atao ao anaty refrigerateur, tsara raha indray alina, rehefa izay dia azonao esorina ao anatin'ny lasitra

Mazotoa indray ary ho antsika izay mankafy ô.

Nahandron'i Soa Bonheur Bourmancé‎

 

Catégorie: