Pate sy petit pois

619

SAKAFO MAHALEO TENA : PATE SY PETIT POIS 

ho any olona 4

ZAVATRA ILAINA:

- tongolo oignon1 ( tetehina kely madinika ) 
- petit pois ( mety daholo surgelé , amin'ny boaty na 300 g raha "frais" ) 
- atody (1 isaky ny olona ) 
- lard fumé (raha tiana)
- pate 250g ( mety kokoa raha ilay "forme en cubette" fa raha tsisy dia mety ny "spaghetti" tapatapahana madinika )

FIKARAKARANA : 
- endasina kely aminy menaka aloha ny lard fumé( raha tiana asiana ) fa raha tsy izany dia ny tongolo oignon ihany dia avy eo arotsaka miaraka ny petit pois ary rehefa hita fa voafangaro miaraka tsara dia asina rano ( 1 litatra ) ka rehefa mangotraka eo aminy 5 minitra dia arotsaka ny pate ary haroina tsindraindray mba tsy hiraikitra mandrapa masaka ny pate, jerena eo amin'ny foniny hoe firy minitra ny fotoana handrahona azy dia (alatsaka kely 2 minitra raha tiana ho "al dente").
-1 minitra alohany ahamasahany ilay pate dia kapohina ny atody dia asina dipoavatra ary arotsaka ao anatin'ilay pate efa ho masaka dia arorona tsy mijanona .
Dia mazotoa homana daholo o !

Nahandron'i Masinirina Dina Andriamalala

 

Catégorie: