Paty sy atody endasina

Portrait de Angie
1048

TSAKITSAKY NA SAKAFO FENO : OMELETTE DE PATE na FRITTATA DI PASTA 

Sakafo mora kely hoy ny italien hoe "Frittata " ny frantsay "omelette" ny malagasy paty sy atody endasina 
eto dia misy fangarony

ZAVATRA ILAINA.

pate efa masaka 
atody (araka ny habetsaky ny pate)
menaka
fromazy voakiky 
mofo maina voakiky (chapelure)
sira,
dipoavatra raha tiana

FIKARAKARANA AZY:

Raha mbola manta ny paty dia ampangotrahana ny rano dia asiana sira ary arotsaka ny pate, rehefa masaka dia tatavanina, raha efa masaka kosa dia tonga dia tohizana toy ity paty ambiny efa nisy toto-kena ity  ;
Kapohina ny atody dia asiana sira kely ary araraka ny pate sy fromazy , afangaro tsara daholo dia volavolaina hanazo bika dia endasina. 
Apetraka ambony "essui tout" hitsika tsara ny menaka.

FANAMARIHANA:

Lanin'ny ankizy foana io na inona atao ao anatiny na inona, azo atao "frittata de legumes" , na korzety , na baranjely , na epinards, tongolo, ovy, ny karazana pate rehetra na spaghetti io sns sns
Mazotoa indray o

Nahandro sy sarin'i ThinaRaffaele Dimitri‎ 19.08.17

Ingrédients: 
Catégorie: