Paty sy broccoli

Portrait de Angie
1070

SAKAFO MAHALEO TENA: PASTA BROCCOLETTI E UVETTA – PATY SY BROCCOLI ARY VOALOBOKA MAINA

Sakafo italiana tena maro mpitia tokoa izy ity, mora atao ary matsiro, natao ho an'ireo végétarien indrindra moa.

ZAVATRA ILAINA

Paty 200g
broccoletti 1 fehezany
tongolo be na tongolo gasy izay tiana
voaloboka maina 2 sotro fihinana
oliva maintso 2 sotro fihinana
fromazy voakiky parmesan 1 sotro fihinana
menaka oliva
sira
 

FIKARAKARANA AZY

-Arotsaka anaty rano mangotraka misy sira 10 minitra ny brocolletti efa voasasa sy voatatetika tsy madinika loatra “al dente”, rehefa vita dia esorina amin’ny sotrobe dia atokana. Avela hangotraka indray io rano  nandrahoana ny broccoletti  io dia arotsaka ao ny paty avy eo, ary tsy atao malemy be fa “al dente ihany” koa
- endasina amin’ny afo malefaka ny tongolo be voatetika  na tongolo gasy dia arotsaka ao koa ny oliva voatetika efa nesorina ny voany, ny voaloboka maina dia avela ho masaka 10 minitra eo dia arotsaka ny broccoletti dia avela hifandray tsara eo.
- Rehefa masaka ny paty dia tatavanina ary arotsaka ao anatin’ireo fangaro dia avela hifandray indray ny rehetra. Rehefa ho aroso dia rarahana fromazy voakiky raha tiana

mazotoa 

Catégorie: