Paty sy legioma

717

SAKAFO MAHALEO TENA : PATY SY LEGIOMA

Zavatra ilaina :
Paty ( izay sahaza)
Korzety
Karaoty
Harikaovera
tongolo
Sira, dipoavatra, carry
MEnak'oliva
Tongolo gasy voakiky
ahi-maitso (tongolo maitso, na kotomila na persily) tsy voatery

Fikarakarana azy :
- Rehefa voadio tsara ny legioma dia tetehana manify misopirana. Avy eo atao masakevoka kely (à la vapeur) : izany hoe mampangotraka rano anaty vilany be, avy eo apetraka eo ambony ilay lasitra misy ny legioma voatetika dia saromana ny vilany ka ilay entona mafana iny izany no manamasaka azy )
- Andrahoina amin ny rano mangotraka misy sira sy menaka ny paty dia tsihifina rehefa masaka.
- Maka lapoaly na wok dia afanaina ny menaka, atao afo mahery ; arotsaka ny tongolo efa voatetika ; avy eo ny legioma efa vita masakevoka ary ny tongolo gasy, ny dipoavatra, ny carry dia afangaro tsara ireo. 
- rehefa mifangaro tsara dia arotsaka ny paty
- Azo asiana zava maitso voatetika toy ny kotomila na tongolo maitso na persily raha tiana an rehefa handroso azy.
- Naroso niaraka tamin ny mofo dipaina natono (pain grillé) ny ahy teto. Tsara hohanina mafana

Mazotoa indray ary ho antsika izay mankafy ô

Nahandron'i Soa Bonheur

 

Catégorie: