Pesto

840

ACCOMPAGNEMENT : PESTO 

ZAVATRA ILAINA:
Basilika bio 1 fehezana na amin'ny pot
menak'oliva 1/4 L
tongolo gasy 200 g (azo ahena)
fromazy voakiky 200g (parmesan)
"Pignon de pin" (tsy voatery)

FIKARAKARANA AZY :
- Tangosana ny basilika, tsy ampiasaina ny tahony. Sasana dia hamainina tsara, raha manana "essoreur à salade" vao mainka tsara, tetehana avy eo
- atao anaty "mixeur" ny basilika, tongolo gasy, fromazy voakiky ary ny pignon, ary arotsaka tsikelikely ny menak'oliva sady alefa ny mixeur, tsy ahato raha tsy mahazo ohatry ny pomady
- atao anaty bocal vera, rarahana menak'oliva ny tapony (manampy amin'ny fitahirizana azy elaela) vao saronana ny bocal, atao anaty vata fampangatsiahana avy eo.
Mazoto o
Am-pitiavana foana,
Nahandron'i Niry Rafi 

 

Catégorie: