petit gateau

55

Ireto koa gâteaux kely tsotra sady tsara raha ohanina miaraka amin'ny ankizy  : 
- Manao pâte-à-choux :

ampangotrahina ny rano 25cl, raha vao mangotraka dia arotsaka ao ny beurre 80g efa notapatapahina, ary 1 pincée de sel, raha vao mitsonika ilay beurre dia indray arotsaka ny farine 150 g, dia aroharoina  amin'ny sotrobe hazo ary esorina avy eo ambony afo vetivety sady tohizana haroina ihany. Dia alefahana ny afo dia averina hataingina indray ilay casserole mandram-pisian'ny film manify miforona amin'ny paroi an'ilay casserole. dia vonoina ny afo ary arotsaka ao ny atody iray manontolo ( tapotsiny sy tamenany mitambatra), dia arohiroina tsara mandram-pifangaron'ilay atody iray manontolo  amin'ny ilay fangaro. Rehefa izay dia alefa indray ny atody faharoa, dia afangaro ho levona sy ifangaro tsara koa, dia torak'izay ilay fahatelo. Avela haka aina kely ilay pâte de atao ao anaty poche à douille amin'ny zay dia atao ambony plateau miditra four izay efa nasiana beurre na papier sulfurisé mba tsy hiraikitra. Raha tsy manana poche à douille dia sotrokely roa dia efa mety (ny iray mandroaka ny iray hanosehana) dia ampidirina four mafana tsara mandritra ny 15 à 20 mn. 
- manao crème pâtissière :

tamenak'atody 4, ronono Masaka 1l, lafarina 4 sotro lehibe ary siramamy sy vanille. Dia ahandroina amin'ny afo mafana fa tsy mahery loatra sady fouetter-na mandritra ny fandrahoina azy, mba tsy hiraikitra na ho may. Dia avela hangatsiaka rehefa miraikitra iny tsara;
- ampidirina ao amin'ilay pâte à choux amin'ny seringue avy aty ambany amin'ny izay ilay crème pâtissière. 
- manao caramel anaovana colle mba hipetaka tsara ireo mini-choux rehefa ampifampitaingenina, dia mbola caramel ihany koa no ametahana bonbons isan-karazany.
- Dia hatao koa ny mini-madeleine: atody 3, siramamy 150g, farine 200g,8g de levure chimique, 100g de beurre fondu, dia ronono Masaka 1 verre. dia zarazaraina anaty mini-moule taratasy dia masahana 15 na 20 mn eo koa.
dia asiana crème chantilly kely sy haingonkaingony kely dia vita!
Aza hadino ny labozia kely manaingo azy koa!
Dia manaova fety sambatra daholo ê

de Holinirina Ramanankasina

Catégorie: 
Matériels: