Petits pains au lait

Portrait de Angie
1165

Miarahaba anao ny MA.MI.NA

Petits pains au lait de mamie 

ZAVATRA ILAINA

Lafarina 300g
Ronono 155ml
lalovay (Levure boulangère) 1 fonosana(5,5g)
Sira 1/2 sotro kely
Atody 1 (+1 dorure)
Dibera malemy 30g
Siramamy 2 sotro
Sucre vanillé 1 fonosana

FIKARAKARANA AZY

Atao ao anaty tsatokaty ny akora rehetra kapohana miaraka amin'ny "batteuse" mandritry ny 10 minitra
Esorina ny pâte dia zaraina arak'izay tiana apetra eo ambony plaque à four
Saronana lamba hibontsina mandritry ny 30 minitra
Rehefa tapitra ny 30 minitra afangaro tamenak'atody, ronono kely, siramamy kely ary ahosotra ny petits pains mba hanome loko rehefa vita : "dorure"

FAHANDRO AZY

Hafanaina 200°C ny four
Ampidirana laforo eo amin'ny  25minitra eo

Mazotoa daholo ndray ary 

Nahandro sy sarin'i Lalah Gie -30.09.2018

 

Catégorie: