Pie-pops-en coeur

575

Pie-pops-en coeur - Mofom-pitiavana 

ZAVATRA ILAINA:

- Nofon'akoho nopotsehina 125g
-saosy voatabia misy fangaro: jambon notapahina madinika, 50g fromage rapé, atody 1, sésame voany,
-1 pâte feuilletée efa vita (jereo eto raha hanao pate feuilletée )
 

FIKARAKARANA: 

Velarina ilay pâte feuilletée mahitsizoro
- manao sarina fo kely araka izay tiana amin'ny baoritra, apetraka eo ambony paty dia didiana manaraka ilay sary fo ny paty ka atao tsiroaroa satria sarony ilay iray
- afindra eo ambony "plaque"-na lafaoro ireo fo efa vita rehefa avy nosorana beurre ny plaque
- hosorana ilay fangaro voatabia saosy misy fangaro eo ambony ny coeur tsirairay
-apetraka manaraka ny jambon
-rarahana ilay fromage rapé
-saronana ilay fo 1 eo amboniny
-somary tsindriana amin'ny tanana aloha mba hitambatra tsara ary tsindiana "fourcehette" ny morony mba hisy endrika
-lalorina ilay tamenak'atody
-rarahana sésame eo amboniny
-atsofoka anaty lafaoro 200°C mandritra ny 15 mn
-apetraka hangatsiatsiaka kely rehefa vita.
Mety foana na aroso mafana na mangatsiaka.

Mazotoa homana daholo ô!

Nahandron'i Sylvia Radifera 

 

Catégorie: