Pirina maina

Portrait de Angie
763

LAOKA : PIRINA MAINA

Zavatra ilaina :
pirina maina 1 kapoaka
sira
menaka 7sotro

Fikarakarana azy :

- Tsiponina tsara fa be fako, dia lomana 2ora eo (raha maika) ny pirinamaina mba hialan'ny fasika 
- somary kosohana tsara toy ny manasa vary ary sidihana tsara avy eo. Ariana iny rano iny, dia alona kely vetivety ary kosohana indray dia ariana rano, atao toy izay mandra-padion'ny rano nanasana azy.
- Endasina amin'izao amin'ny afo antonony (tsy asiana menaka) amin'ny lapoaly aloha ho somary maimaina, izay vao asiana sira sy menaka. Eto dia tsy aroina intsony mandra-pahazo ilay menaka somary mandroatra iny
- Rehefa somary mandroatra ny menaka, vao afangaro mora matetika
- Vita rehefa henonao manitra tsara sy somary mikasaosaoka izay rehefa aroina.

Mazotoa o !

Nahandron'i Vero Randriam

Catégorie: