Pizza baranjely

788

Finta Pizza di melanzane ; specialité italien – na hoe pizza baranjely zany hoe tsy pizza mihitsy fa maka bika pizza

 

ZAVATRA ILAINA

baranjely
“origan”
fromazy parmesan
menaka oliva
sira
voatabia
basilika raha tiana

FIKARAKARANA AZY:

Sasana tsara ny baranjely dia hamainina , tetehina manify manaraka ny halavany na ny sakany araka izay bika tiana. Alahatra ambony “plaque” miditra lafaoro.
Asiana tetika voatabia sy origan ary fromazy voakiky tsirairay ary asiana menaka oliva sy ravina basilika
Ampidirina lafaoro efa nohafanaina 15 min mialoha 180° mandrapaha masaka ny baranjely arakaraka ny lafaoro ampiasaina mantsy, ny ahy teto 10min dia vita
Aroso miaraka amin’ny mofo raha vegetarien toy ny sasany ato aminay
aroso miaraka amin’ny charcuterie na hena kosa ho anay mankafy hena

Mazotoa o

 

Catégorie: