Pizza et scarole

906

SAKAFO FENO : PIZZA RIPIENO – pizza voasesika - pizza farci – specialité napolitain
Pizza e scarola – Pizza et scarole

ZAVATRA ILAINA:

Ho an'ny paty:
lafarina 500g ,
25g lalovay labiera, na lalovay 1 fonosana (lévure Saf Instant),
Menaka extra vergine d'olive 5 sotro fihinanana,
sira 1 sotro kely na atsasany araka izay tiana,
siramamy 1 sotro kely
rano (farafahabeany 400ml araraka tsikelikely)

Sesika :
scarole : karazana salady
tongolo gasy
pignon de pin*
capperi*
alici* (karazana trondro kely toy ny sardine)
voaloboka maina
oliva mainty
mozzarella *
(*azo ovaina araka izay misy eo antoerana; ohatra ny pignon de pin soloina voanjo, capperi sy alici azo tsy asiana fa tsara foana, ny mozzarella kosa dia azo soloina izay fromazy misy )

FIKARAKARANA AZY
1 maka rano matimaty amin'ny vera tokony ho 100ml eo dia atao ao ny lalovay sy siramamy mba ho levona sy hiasa mandritry ny 5 minitra
2. maka bol dia atao ao ny lafarina, ny anay moa tonga dia eo ambony latabatra no atao misavovona ny lafarina dia lavahana eo ampovoany ary atao ao ny sira, menaka ary araraka tsikelikely ilay rano misy lalovay sy siramamy ampiana ny rano mafana arotsaka tsikelikely hatrany, rehefa mahazo pate dia volavolaina halefaka tsara,
3. rehefa vita dia atao boribory ny pâte ary apetraka anaty bol lehibe efa norarahana lafarina misy mandalotra menaka kely ihany koa, avy eo dia saromana lamba lena mba hitombo ny hahavony ka apetraka haka aina 2ora farafahakeliny, (ny anay indray alina mihitsy indraindray satria io no mampalefaka na tsia ny pizza avy eo)
Eto dia mikarakara ireo zavatra atao eo amboniny:
Endasina ny tongolo gasy kely ary oliva mainty, avy eo raha tiana dia asiana “alici”sasana ny scarole efa voasasa sy voatapaka amin’ny tanana dia arotsaka ao koa, rehefa mitambatra tsara dia arotsaka ny “capperi “sy “pignon de pin” ary ny voaloboka maina, rehefa afaka 5 minitra dia esorina ambony afo ary avela hipetraka eo mandrapaha vonona ny pizza
4. Rehefa vita ny paty nitombo be dia averina volavolaina tsara eo ambony latabatra nasiana lafarina, ary zaraina boribory dia fisahana araka izay tiana ny hahavony.
5. Osorana menaka ny lasitra apetraka ny paty atao lafika ary apetraka koa ny scarole efa vonona, rarahana mozzarella efa voatapaka madinika ary dia saromana paty indray eo amboniny, hidina tsara ny sisiny,
Ampidirina ao anaty lafaoro efa mamay tsara ka rehefa mena tsara dia vita

Fanamarihana:
- ny maripana handrahoana pizza dia miankina amin'ny lafaoro ka izay farany ambony indrindra foana no tsara dia jerena fotsiny hoe efa masaka ve, vetivety kely dia masaka
dia mazotoa daholo indray ary o

Catégorie: