Poivrons aux olives

306

Poivrons aux olives

zavatra ilaina ho an'olona 4 

poivrons 4 
tongolo gasy hasiny 1
100 gr di olive na maintso na mainty mety daholo
Persil
menaka olive 
sira sy dipoavatra

Fikarakarana azy 

sasana sy fafana tsara ny poivron, esorina ny vodiny , ny voany ary ilay toy ny fil fotsy ao anatiny dia tetehina en dé lehibebe. 

hafanaina ny lapoaly na vilany rehefa mamay dia araraka ny menaka ary arotsaka ny tongolo gasy izay tsara kokoa raha miaraka amin'ny hodiny "hono" hoy ny chef italien fa tena maivana kokoa avy eo. tandremana mba tsy ho may 

Arotsaka ny poivron , dia asiana sira sy poivre ary arotsaka koa ny olive efa nesorina ny voany , dia saromana ary avela hiketrika amin'ny afo antonony 15 min eo, raha tianao halemilemy kokoa dia azo asiana rano kely tapaky ny vera, ho anay tena tsy nasiana mihitsy. rehefa vita dia esorina ambony afo ary arotsaka ao ny persil voatetika dia aroso, 

Mazotoa o 

Catégorie: 
Matériels: