Polenta

267

Polenta : semoule de mais na koba katsaka

Sakafo vetivety dia vita izy ity; mahasolo ny vary sy ny pate ny polenta ka azo atao accompagnement, saingy azo atao sucré koa fa tsy voatery ho salé

zavatra ilaina:

polenta, rano, huile d'olive, sira 

Ny fikarakarana ny polenta :

mampagotraka rano dia rehefa mangotraka dia asiana sira sy huile d'olive kely

esorina ambony afo ary arotsaka ny polenta dia averina ambony afo malefaka

afangaroana foana mandritra ny 2 minitra eo,

vita zay dia atao anaty moule dia avela angatsiaka fotsiny .

Azo atao anaty moule à cake koa dia azo tetehana tsara ohatrany gateau rehefa hiservir azy.

NB:  Ny fatra ny polenta: raha polenta 1 kaopy dia rano 3 kaopy.

eto dia saucisses de francfort et polenta
nampangotrahana  fotsiny ny saucisses dia manao sauce tomate: voatabia sy tongolo ary sira . 

Mazotoa o 
de Bao Rakoto

Catégorie: 
Matériels: