Pommes Dauphine

286

Recette pommes Dauphine : 
zavatra ilaina:

rano 25 cl  - dibera 80 g  - atody 3 -  lafarina 150 g - sira 1 tsongo- Ovy atao purée , na purée de pomme de terre efa pret 

Fikarakarana azy :
raha efa puree pret dia atao maimaina ny purée. Raha ovy kosa dia andrahoina miaraka amin'ny hodiny aloha izay vao potserina na amin'ny fourchette na amin'ny robot.
Ampangotrahana ny rano sy dibera (na menaka) ary sira. 
Rehefa mangotraka esorina ambony afo, arotsaka indray maka ny lafarina ary ahodina haingana mba hivaingana, raha lena loatra dia somary hamainina ambony afo. 
Afindra anaty lovia jobo hangatsiaka, arotsaka tsirairay ny atody ary ahodina mafy tsara hifangaro. 
Rehefa mifangaro tsara daholo ireo dia arotsaka koa ny purée, asio sira raha matsatso loatra. Tokony hahazo pâte marihitra somary miraikitra. 

Fahandro azy:
Manafana menaka, raisina amin'ny sotrokely ny fangaro dia arotsaka ao rehefa mamay ny menaka, rehefa somary mena sy mitsikafona dia vita, aza ajanona ela loatra fa mora masaka. 
Ataovy anaty lovia misy "essuie-tout" izay vita, tsy dia mitroka menaka firy izy io. 
Mazotoa

Recette de Bonbon Mamibe

 

Catégorie: 
Matériels: