Potimarron voasesika

989

TSAKITSAKY - APERO : POTIMARRON FARCI - VOATAVO VOASESIKA - CROQUETTE DE POTIMARRON COEUR COULANT

ZAVATRA ILAINA :
Voatavo (eto potimarron) 800g
tongolo be 1
tongolo gasy 3
ron-dasopy legioma 100ml
ovy 100g
curry 2 tsongo
dibera 20g
fromazy 100g (à raclette raha misy na izay tiana)
sira sy dipoavatra
potimofo (chapelure) eto dia nafangaro tamin’ny ”sésame blond” 1 sotro kely sy “graines de courges” 1 sotro kely (azo soloina izay misy na sésame fotsiny).
lafarina amin’ny lovia
atody 2 voakapoka
menaka fanendasana 400ml

FIKARAKARANA AZY :

-Andrahoina aman-kodiny amin’ny rano mangatsiaka ny ovy , rehefa masaka dia voasana.
- Tetehana manify ny tongolo
- Voasana ary tetehana efa-joro madinika ny voatavo ary andrahoina miaraka amin’ny ron-dasopy legioma , tongolo be, sira sy dipoavatra ary curry mandritra ny 25 -30 minitra eo 
- Totohina ho lasa “purée” ny voatavo sy ny ovy ary asiana dibera sy izay tianao hampatsiro azy.
- tetehana efa-joro madinika ny fromazy 
- maka “purée” kely dia volavolaina ho lasa boribory , avy eo lavahana eo afovoany ary asiana fromazy iray na roa dia averina atao boribory indray, akasoka ao anaty lafarina, avy eo atody voakapoka ary farany ao anaty potimofo misy sésame. Tohizana mandrapaha tapitra ny rehetra. 
- endasina amin’ny menaka betsaka sy mafana (à 170°C, 180°C) ary atao 4 isaky ny manendy fa tsy be am-bilany (manjary mihena ny hafanan’ny menaka) ka tsara kokoa raha “casserole” kely no hanaovana azy. Rehefa menafify tsara dia vita
- Apetraka ambony taratasy na “sopalin” mba hitsika tsara ny menaka.

Mazotoa o

Fanamarihana : 
ny “potimarron” dia karazana voatavo fa azo soloina voatavo raha tsy misy

Nahandron’i Lova Petit Rama - Graine de faim kely.

Catégorie: