Poulet à la mexicaine

726

LAOKA: AKOHO NAHANDRO MEXICAINE 

 

Zavatra ilaina :
 

akoho 1

tsaramaso mena maina 500g

voatabia amin'ny boaty 1 (125g)

katsaka amin'ny boaty lehibe 1

voatabia 2

« chorizo doux na fort » 1 (saosisy mexicaine)

tongolo 2

sakaibe mena 2 (poivrons rouge)

jumbo poulet 1 (raha tiana)

rano 500 ml

cumin, kotomila, sakay,
ravina "laurier"

siramamy 1sotro fihinana

menak'oliva

sira,
dipoavatra

 

Fikarakarana azy :
 

- Andrahoina mitokana ny tsaramaso mena dia tsihifina rehefa masaka

- Rehefa voadio sy voakarakara ny akoho, dia tetehana amin'izay itiavana azy ary lomana vaingan - tsira mandra-pikarakara ny fangarony

- diovina ny sakaibe mena, esorina ny voany, tetehana manaraka ny halavany. Toy izay koa ny tongolo sy ny voatabia

- esorina ny hoditry ny chorizo dia tetehana boribory (azo soloina "saucisson" raha tsy misy ny teny chorizo)

- endasina mitokana ny akoho mba ho mendimendy dia atokana

- maka vilany lehibe iray dia atao ambony afo malefaka, asiana menak' oliva kely : endasina aloha ny tongolo, ka rehefa miova loko dia alefasa ny sakaibe mena, afangaro tsara. Alefaso indray ny voatabia, ny voatabia amin'ny boaty, ny siramamy, ny sakay, ny dipoavatra, ny cumin, ny ravina "laurier", afangaro tsara

- rehefa izany, dia arotsaka ilay akoho efa voahendy, ny tsaramaso mena efa masaka dia afangaro tsara

- levonina ao anaty rano 500 ml ny jumbo dia arotsaka ao amin'ny nahandro, avela hiketrika mandritra ny 25 minitra eo ho eo amin'ny afo malefaka hatrany.
Mila jerijerena matetika sy somary aroaroina mba tsy hiraikitra

- rehefa mahazo saosy saosy dia vonoina ny afo, avy eo arotsaka ny kotomila efa voatetika sy ny katsaka amin'ny boaty efa nokobanina tamin'ny rano mangatsiaka

- Vonona ny nahandro, ampiarahana amin'ny vary mitsiratsiraka tsara.

 

 

Mazotoa o !

 

Nahandron'i Rasoa Fitahiana Malagasy

 

 

 

 

 

 

Catégorie: