Poulet aux petits pois au coco

773

Laoka ritra : akoho sy petipoa ary voanio - Poulet aux petits pois au coco

Zavatra ilaina:
akoho voatetika 1
petipoa 350g
tongolo be 1
tongolo gasy hasiny 1
sakamalaho Kely
“lait de coco” –boaty 1
curry  kely na 4 epices
sira sy dipoavatra
asiana voatabia kely raha tiana
menaka oliva

Fikarakarana azy:
- sasana ny akoho dia asiana sira sy dipoavatra ary curry na 4 épices
- Atao anaty vilany ny menaka dia arotsaka ny akoho , avela ho mendy sy mena mena tsara
- arotsaka ny tongolo be, tongolo gasy ny sakamalaho voatetika ary ny voatabia kely dia avela ho mendy mendy ihany koa.
- arotsaka ny petipoa ary asiana rano kely mitovy hahavo ary ampiana curry kely
- rehefa mangotraka dia araraka ny “lait de coco” dia avela  ho masaka  amin’ny afo malefaka mandrapaha ridritra araka izay hitiavana azy
- Aroso miaraka amin’ny vary na couscous
Mazotoa o 

Catégorie: