Poulet farci

301

Poulet farci

Zavatra ilaina:

akoho 1,  totokena 125g, champignon noir 1 sachet, ovy, tongolo maintso, sira, menaka.

Fikarakarana azy:

Sasana ny akoho dia esorina daholo ny ao anatiny , ary asiana sira na anatiny na ivelany

- Endasina miaraka amin ny tongolo maintso ny totokena ,

- Alona anaty rano ny champignon noir rehefa mivelatra tsara dia tetehina madinika dia endasina miaraka amin ny totokena koa  asiana sira  

- Rehefa vita izay dia asesika ao anatin ilay akoho ilay fangaro dia zairina ilay nanatsofohina azy!

- Voasana ny ovy ilay majinika dia asiana menaka sy sira,  miaraka atao amin'ny plateau miaraka amin'ny akoho,

Atao anaty four 250 degré dia atao ambony ambany ny afo , 1h na arakak izay mahamasaka azy fotsiny

Mazotoa o 

de Voon Rasetry Andriamora

Catégorie: 
Matériels: