Poulet pané poesie

Portrait de Angie
184

BLANC DE POULET PANE

Alaivo ny blanc de poulet
Ataovy bien mariné!

Asio moutarde, sira, menaka
Dia aleo hilona toy ny @ tany lemaka!

@ lovia iray asio atody nokapohina
@ iray kosa chapelure na biscotte nototohina!

Ampandalovy ilay atody, avy eo ilay chapelure
Ilay blanc tsara lona raha toa ianao ka tena sûre!

Rehefa avy eo dia arotsay,
anaty menaka mamay!

Dia avadiho ho tsara masaka!
Tandremo tsara sao dia milatsaka!

Ary ataovy ao anaty lovia,
Misy salade, citron sy voatabia!

Izay indray ary fa mazotoa homana
ity sakafo kely anefa tomombana!

 

Tononkalo sy nahandron'i Mamiarisoa Lalao RALAITSIROFO

 

Catégorie: