Pudding au banane

21

PUDDING AU BANANE 

ZAVATRA ILAINA 

tsy misy fatrany fa araka izay ilaina:
ronono
atody
siramamy 
rhum kely
mofo maina be "pains rassis"
dibera kely

FIKARAKARANA AZY:

Afangaro ny ronono sy ny atody (io mba nataoko 4 ra ngeza le atody) siramamy ary rhum araka izay tiana fa tsy misy lanja tsy maintsy arahana dia kapohana,

Rehefa tsara kapoka sy mifangaro tsara ireo dia arotsaka ny mofo tena mofo maina be (ilay tena efa mafy be ireny) izay notapatapahana tamin'ny antsy,

Avela hilona ao mandrapahaleminy, tsy avela malemy be loatra koa anefa,

Asiana dibera tsara ny lasitra dia arotsaka ao, azo saratsarahana amin'ny lasitra majinika toy ny fanaovana cup cake izy ity nefa azo atao lasitra iray lehibe koa.

 

FAHANDRO AZY:

- Lafaoro vazaha: atsofoka anaty laforo  efa nohafanaina mialoha ka  atao hafanana 180°-200° mandrapa-menamena azy tsara 

- Raha lafaoro gasy no ampiasaina, izany hoe vilany asiana fasika dia hafanaina amin'ny afo malefaka ao ambany ary avadika ny sarombilany dia asiana afo bebe kosa eo ambony dia jerena matetika. 
 

Mazotoa homana tompoko

 

Nahandron' iSand Rand sy Tess Rajaona

Catégorie: 
Matériels: